MAHATOKY HATRAMIN’NY FAHAFATESANA NY MINO

Vaovao

21mar

Hikatona avokoa ny fiangonana manomboka ny 22 03 2020

fanambarana

Namoaka fanambarana koa ny teo anivon’ny FFKM na Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, manoloana ilay aretina Coronavirus tonga eto amintsika.

Hikatona avokoa ny fiangonana sy ny toeram-pivorina rehetra manomboka anio ary mandritry ny 15 andro, araka ny fanambaran’ny filoha Rajoelina Andry.

https://www.facebook.com/sarindra.raveloarimanga/videos/832569130554353/


Tsara ny mampahafantatra antsika ireto fandaharana samihafa vokarintsika FJKM ireto:

  • FJKM Fahazavana : (fampianaram-pinoana) mandeha ao amin’ny Televiziona MaTV @ 6 ora maraina
  • Fandaharana ‘Vontosy Filazantsara i Madagasikara ». Misy fanompoam-pivavahana nalaina teny anivon’ny Fiangonana sy Akom-baovaon’ny Fiangonana FJKM. Hita ao amin’ny MBS @ 9 ora – 10 ora maraina.
  • Fanompoam-pivavahana harahina ao amin’ny FaceBook « FJKM Foibe-Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Misy koa ireo fandaharana samihafa hita ao amin’ny Facebook