IAINO NY FIADANAN’NY TOMPO

mana

02déc

Isaia 9 : 1-6

1 Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.

2 Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ny olona, raha mizara babo.

3 Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andro namelezana ny Midiana.

4 Fa ny kiraron’izay mitrevatreva fandeha eo amin’ny fihorakorahan’ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ny afo izany.

5 Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina*, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay Andrian’ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]

6 Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.